Maison Sport Rugby : nodimandry i Dida

Rugby : nodimandry i Dida

121
PARTAGER

Misaona ny tontolon’ny rugby. Nodimandry omaly, teo amin’ny faha-82 taonany i Raphael Augustin, fantatra amin’ny anarana hoe : Dida. Ny aretina nahazo azy efa ho telo volana no nitarika ny fahafatesany. Mpilalao tao amin’ny ekipam-pirenena, ny taona 1957  izy ary anisan’ireo “demi de mêlée”, mahay indrindra.  Anisan’ireo voafantina niatrika ny fihaonan’i Madagasikara sy Italia, natao tetsy Mahamasina ny taona 1971 ary nifandona tamin’ny ekipan’i La Voulte, tany Frantsa io taona io ihany koa. Noho izany fahaizany izany, notazonin’io ekipa frantsay io, hilalao tany aminy izy saingy tsy nanaiky fa niverina teto an-tanindrazana. Teo koa ny lalao nikatrohan’i Madagasikara tamin’i Frantsa, ny taona 1957, ka nahafaty an’i Mbahiny.

Efa nilalao tamin’ny ekipa samihafa teto an-toerana izy. Anisan’izany  ny Sporting club de Tananarive, ny Stade Olympique de l’Emyrne (SOE),  ary ny Union Amicale des cheminots (UASC), tena naharetany nilalaovany taona maro. Efa nahazo ny tompondakan’i Madagasikara sy ny tompondaka lefitra tamin’ny amboara koa ny taona 1962. Efa nandrombaka ny amboaran’ny filoham-pirenena Philibert Tsiranana, tamin’ny taona 1965. Teo koa ny amboaran’ny Air France ary ny amboaran’i Claude Ratsarazaka. Ankoatra ny rugby, mpilalao baolina kitra sy atletisma ary basikety Itompokolahy.

Namela mananon-tena sy zanaka vavy iray ary zafikely telo lahy, i Dida. Tsy mbola fantatra ny fotoam-pandevenana azy fa mbola eny an-tranony eny Ankaraobato ny nofo mangatsikany.

Synèse

 

www.newsmada.com

LAISSER UN COMMENTAIRE

Please enter your comment!
Please enter your name here