Maison Politique Ralambomahay Toavina : « Lasa fitsaram-bahoaka ny toe-tsaina repoblikanina tsy latsa-paka « 

Ralambomahay Toavina : « Lasa fitsaram-bahoaka ny toe-tsaina repoblikanina tsy latsa-paka « 

166
PARTAGER

 Mirongatra tato ho ato ny fitsaram-bahoaka etsy sy eroa. Maneho ny fijeriny ny mpamakafaka ara-politika, Ralambomahay Toavina, nanoratra ny hoe « Histoire polémique et pauvreté à Madagascar », tao amin’ny bokin’ny sekoly ambony momba ny fanaovan-gazety ao Lille (L’année internationale francophone n°25, 2016-2017). « Mety tsy mbola latsa-paka anatin’ny Malagasy tsirairay ny toe-tsaina repoblikanina. » Dinidinika…

 

Gazety Taratra (*): Inona no mety tena fototra, tsy misy mpiresaka firy hatramin’izay, mahatonga ny fitsaram-bahoaka mahazo vahana eto amintsika tato ho ato?

 

– Nanomboka tamin’ny namonoana ny mpitsara Rehavana Michel tany Toliara, ny 9 desambra 2011: matetika, ny fitsaram-bahoaka. Hilaza avy hatrany ny mpanohitra hoe tsy atokisan’ny vahoaka intsony ny mpitondra, ny mpitsara, ny polisy, ny zandary… Mila tohizana kely, angamba, ilay fandalinana. Mety tsy mbola latsa-paka anatin’ny Malagasy tsirairay ny toe-tsaina repoblikanina. Efa nilaza io ihany, ohatra, ny Pr Ranjeva sy ny hafa.

* Fa inona no iainan’ny Malagasy amin’izay lafiny izay?

 

Sanatria, tsy ny repoblika ny rafi-pisainantsika, fa mety mbola ny lalàn’ny razana, ny Ntaolo, ny finoana, ny andriana… Ny hoe repoblika manko, itony lalàna ataon’ny Antenimiera itony no ekena. Izany hoe ireo solombavambahoaka sy loholona no manao lalàna, fa tsy ny razana, na ny Baiboly, na ny fady…

* Olana izany ny fanjakana repoblikanina?

– Aleo aloha hazava fa repoblikanina ny tena, ary misafidy ny demokrasia, ny fanajana ny zon’olombelona, ny fisarahan’ny fanjakana sy ny finoana… Nefa raha jerena tokoa aloha ny tantara, tsy ny Malagasy no nandrava ny fanandevozana na ny fanjakan’andriana, fa ny Frantsay. Ary ny Frantsay koa no nitondra ny Repoblika teto. Tamin’ny 14 oktobra 1958 io.

* Misy lalan-kafa izany?

 

Misy saingy tsy mety amiko aloha… Tamin’iny Tetezamita, taona 2009-2013, iny, ohatra,  no tena nahitana fa misy mitady rafitra hafa noho ny repoblika: tahaka ny faha mpanjaka, ohatra, sy ny hafa. Efa naniry ny hiavian’ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany na Théocratie koa Ravalomanana Marc, tamin’ny fotoan’androny. Amin’izao fotoana izao, resabe malaza ny hoe fananganana moske miisa 6 000, ary efa mihamaro tokoa ny moske eto amintsika.

 

* Inona no tokony hatao amin’izany?

 

Tokony hivondrona, hitsangana ary hampianatra ireo repoblikanina, izay te hiaina anaty fanjakana misy lalàn’olombelona, fa tsy lalàn’ny finoana, na ny razana, na ny Ntaolo, na ny fady, na ny fivavahana isan-karazany…  Raha mitohy izao fitsaram-bahoaka miseholany etsy sy eroa izao, ho ratsy ny fandehan’ny tantara.

Raha ny tokony ho izy, tokony ho repoblikanina avokoa ireo nahazo mari-boninahitra na galona noho ny repoblika. Anisan’izany ny mpitsara, ny miaramila, ny polisy, ny minisitra, ny mpampianatra eny an-tsekoly… Nefa toa tsy misy mitsangana manazava izy ireo. Asa lahy, mety nahazo galona fotsiny izy ireo? Na mbola mieritreritra koa fa tsy repoblika no mety amintsika… Sanatria.

* Mbola mila karazana fihaonambem-pirenena indray izany ny raharaha?

 – Tsy voatery… Talohan’ny fifidianana filoha tamin’ny taona 2013 no tokony ho natao izany. Ankehitriny, tokony hivondrona, hijoro ary hampianatra izay toe-tsaina izay ireo repoblikanina isan’andro. Azo atao koa ny manangana ny faritany na faritra mizakatena. Izay no voizinay izao… Na ny karazana mitovitovy amin’izany mba hiorim-paka tsara fa tsy ho lavitra loatra ny rafi-panjakana.

Tsy voatery hitovy hevitra ny Malagasy rehetra. Aoka ny hevitry ny maro anisa no hampiharina, ary manantena aho fa handresy hatrany hatrany ny repoblikanina.

Nangonin’i R. Nd.

www.newsmada.com

LAISSER UN COMMENTAIRE

Please enter your comment!
Please enter your name here