Nandritra iny taona 2016 iny… : zandary 14 no maty, olona...

Nandritra iny taona 2016 iny… : zandary 14 no maty, olona 50 matin’ny fitsaram-bahoaka

126
PARTAGER

 Tsy mbola fahita hatramin’izay! “Nahitana trangana fitsaram-bahoaka miisa 42 nandritra iny taona iny raha miisa 55 ireo olona matin’ny fitsaram-bahoaka”, araka ny tatitra ny lefitry ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, teny amin’ny Toby Ratsimandrava, omaly. Tany amin’ny faritra Sofia, Analanjirofo, Vafi (Mananjary), Atsimo Atsinanana, Diana (Ambilobe), Atsimo Andrefana no tena nahitana ireo trangana fitsaram-bahoaka ireo.

 Midika izany fa nahazo vahana tanteraka ny fitsaram-bahoaka raha ny antontan’isa eo am-pelatanan’ny zandarimariam-pirenena. Ny herinandro teo anefa vao nisy koa ireo jiolahy roa matin’ny fitsaram-bahoaka tany Nosy Varika.

Hametrahana zandary voaofana any amin’ireo faritra mena…

Mavesatra ho an’ny fianakaviamben’ny zandarimariam-pirenena koa iny taona 2016 iny manoloana ny isan’ireo zandary maty voatifitry ny dahalo. “Mavesatra eo amin’ny asan’ny zandarimaria ny taona 2016 satria tafakatra 14 ireo zandary maty voatifitry ny dahalo raha miisa fito izany ny taona 2015. “Vokatry ny fanenjehana sy fanarahan-dia dahalo izany satria imbetsaka nivoaka ireo zandary. Rehefa matetika mivoaka ny zandary, mazava ho azy fa misy koa ny risika eo am-panatanterahana ny asa”, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Paza Didier. Fantatra fa hametrahana zandary voaofana tao amin’ny ivotoeram-piofanana ho komando ao Ambatolaona any amin’ireo faritra lavi-dalana.

Nohamafisiny hatrany nandritra ny fanaovana tatitra ny zava-bita nandritra iny taona iny fa mitentina 24 miliara Ar ny sandan’ireo omby very ary efa tafaverina amin’ny tompony.

Vao omaly koa, nisy zandary mpiana-draharaha iray maty voatifitra nandritra ny fifandonana teo amin’ny dahalo sy ny zandary tany Imanja.

 

Basy Kalach tratra : 36

Basim-borona : 79

Bala : 65 342 tany Nosy Be sy Vohémar no nahatrarana betsaka indrindra ary efa nakarina aty amin’ny foibem-pibaikoana ary hotsinjaraina amin’ireo toby hita fa tsy ampy.

Fanondranana sokatra : 2 395 no tratra, 1 399 ny velona raha 996 kosa ireo maty. Miisa 18 ireo olona naiditra am-ponja.

Dahalo maty 541, naiditra am-ponja ny  930 raha 689 ireo nahazo fahafahana vonjimaika.

Jean Claude

www.newsmada.com

AUCUN COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE