Maison Faits Divers Mpilatsaka an-tsitrapo : manambatra hery amin’ny fampandrosoana tanàna

Mpilatsaka an-tsitrapo : manambatra hery amin’ny fampandrosoana tanàna

326
PARTAGER

Efa mahazatra ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny Peace Corps, na dia samy hafa aza ny fahaiza-manaony, ny miara-miasa sy manambatra ny heriny hanatsarana ny fiarahamonina misy azy ireo.

Tamin’ny volana novambra lasa teo, nampitambatra ny heriny hiady amin’ny lefakozatra sy hampiroborobo ny fanomezan-tsakafo ara-dalàna ny zaza tao amin’ny tanàna iasan’i Robin any amin’ny ilany atsinanan’i Madagasikara ireo mpilatsaka an-tsitrapo mirahavavy. Anisan’izany i Jacquelline izay miasa eo amin’ny sehatry ny fambolena sy i Robin miasa amin’ny sehatry ny fahasalamana.

 Niara-niasa tamin’ireo mpitsabo tao an-toerana izy ireo, nitsidika isan-tokantrano, nanampy tamin’ny fizarana vaksiny amin’ny lefakozatra, ary nanararaotra niresaka momba ny fomba fisakafoana ara-pahasalamana tamin’ny ray aman-dreny mitaiza zaza madinika.

Ankoatra izay, nanao famelabelaran-kevitra ho an’ny reny vao tera-bao tany an-toerana izy mirahavavy momba ny fanamboarana sakafo mampitombo ho an’ny zaza, miainga amin’ny zava-misy ao an-toerana.

Nanomboka nikolokolo ny zaridaina tao amin’ny toeram-pitsaboana teo an-toerana izy ireo mba hambolena ireo singa sy fangaro ilaina amin’ny sakafon-jaza mampitombo.

Tatiana A

www.newsmada.com

LAISSER UN COMMENTAIRE

Please enter your comment!
Please enter your name here