Maison Politique Mitsipaka ny fanilihana kandidà ny KMF/Cnoe

Mitsipaka ny fanilihana kandidà ny KMF/Cnoe

142
PARTAGER

Nampitandrina sahady. “Ahiana mety hiteraka krizy vaovao eto amin’ny firenena indray ny mety hisehoan’ny fanilikilihana kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena noho ny fikitihana ny lalam-pifidianana”, hoy ny sekretera jeneralin’ny KMF/Cnoe, Rasoarimalala Patrcia. Tsipahin’izy ireo tanteraka ny fikasan’ny Ceni hanitsy ny lalàm-pifidianana ka ho tonga amin’ny tsy fahazoan’ny kandidà sasany milatsaka hofidina. Anisan’ny tsy levon’ny vavonin’ny KMF/Cnoe koa ny fikasan’ny mpitondra hanemotra ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2019. Midika ho tsy fanarahan-dalàna sy kajikajy politika izany ary tsy fijerena ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena, araka ny nambaran’izy ireo ihany.

Tsiahivina fa eo am-pamolavolana ireo fehin-kevitra samihafa voaray tamin’ireny fakan-kevitra natao ireny ny eo anivon’ny Ceni, amin’izao fotoana izao, mba hanavaozana na koa hanatsarana ny lalàm-pifidianana.

Tokony ho nampahafantarina tamin’ity herinandro ity izany, saingy nahemotra amin’ny herinandro ambony io.

Na izany aza, anisan’ny manaraka akaiky momba io lalàm-pifidianana io koa ny eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.

Synèse R.

 

www.newsmada.com

LAISSER UN COMMENTAIRE

Please enter your comment!
Please enter your name here