Maison Politique Me Avoko sy ny kung-fu : « Aoka tsy ho voafitaka...

Me Avoko sy ny kung-fu : « Aoka tsy ho voafitaka sy ho voarebireby isika »

9749
PARTAGER

 Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny mpitantana ny haiady kung-Fu, ny Me Avoko. Nambarany koa ireo hetsika ataon’izy ireo eo anivon’ny firenena sy ny mpiray tanindrazana.

 

Nanao antso avo. « Aoka isika tsy ho voafitaka na ho voarebirebin’ny mpanao politika intsony amin’ny hetsika fanakorontanana sy fampikatsoana ny raharaham-pirenena. Efa lesona lehibe ho an’ny firenena ny fahasahiranana vokatry ny krizy sy korontana nifandimby teto : 1972 ; 1991 ; 2002 ary ny 2009 », hoy ny fanambarany, omaly. Nohitsiny fa fitadiavana tombontsoa sy seza ny ambadiky ny famendrofendroana sy ny faminganana ny fiainam-pirenena. Mazava ny hafatra nampitain’ity zanaky ny Me Pierre –Be ity. « Ny ezaky ny tsirairay ihany no ahafahana mampandroso ny firenena. Anjaran’ny fitondrana ny manamora ny lalana sy manome tanana ny sehatra rehetra amin’izany. Efa manomboka hita taratra izany amin’izao fotoana izao », hoy ihany izy.

Mijery ny sosialim-bahoaka

 Notsiahivina fa miara-miasa amin’ny fitondrana ny kung-fu Wisa ary manome tanana azy ireo amin’io resaka sosialim-bahoaka io, ho an’ny fampandroana maharitra ny firenena. Anisan’izany ny fampianarana ireo mpikatroka handray andraikitra eo amin’ny faritra misy azy ka hanampiana ny vahoaka amin’ny fametrahana filaminana sy fandriampahalemana. Eo  koa ny fijerena ny sosialy. « Nizara vary 10 t voaangon’ny mpikambana ho an’ireo sahirana izahay », hoy ny Me Avoko.

Etsy andaniny, nampiofana ara-teknika ny mpanao kung-fu manerana ny Nosy izy ireo. Efa vita ny tany amin’ny faritra Bongolava ; Itasy ; Boeny ; Analamanga ary ny faritra Amoron’i Mania.

Hitsidika ny any Vakinankaratra indray ny Me Avoko amin’ity herinandro ity ary any Alaotra Mangoro, aorian’izany.

Hiezaka koa ny federasiona, tarihin’ny filohany, Rakotoarisoa Victor handefa solontena amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany hatao any Italia, ny volana oktobra izao.

Synèse R. 

www.newsmada.com

LAISSER UN COMMENTAIRE

Please enter your comment!
Please enter your name here