Maroantsetra : misy fikasana hanondrana andramena

Maroantsetra : misy fikasana hanondrana andramena

112
PARTAGER

 Tsy mahavita manafoana ny trafika andramena ny fitondrana, ka tsy handihy tsy afa-tavony milaza fa tsy nisy tamin’ny taona 2016. Sao antomotra ny fifidianana 2018, ka miomanomana mitady vola amin’ny fomba mamohehitra amin’ny alalan’ny trafika andramena ny sasany.

Tsy mety fay amin’ny fomba ratsiny ireo mpamotika sy mpandringana harem-pirenena. Araka ny loharanom-baovao azo, misy sambo mihaodihaody any afovoan’ny ranomasina any Cap Est, akaikin’i Maroantsetra. Mivezivezy mankany ny sambo madinika, ahina ho mitatitra  andramena. Voalaza fa efa nampandrenesina ny kaompania zandary any Antalaha.

Efa nandeha ny feo tamin’ny volana desambra iny fa miomanomana hanondrana andramena indray ireo tsimatimanota. Amidy malalaka eny an-tsenan’i Maroantsetra ny tsofa elektrika, manodidina ny 2,4 tapitrisa Ar hatramin’ny 5 tapitrisa Ar. Nisy mihitsy lehilahy roa samy nitondra, hita teo antokotanin’ny orinasa iray sady manana sambo mpitatitra. Nolazain’ny olona nanontaniana fa mety handeha hikapa hazo andramena any anaty ala ireny.

Mahavariana koa ny nilazan’ny minisitry ny Tontolo iainana fa misy tahiry andramena tombanana ho 2 tapitrisa any. Ho an’ny fikambanana Alliance voahary gasy (AVG), tsaho iniana aely io mba hahafahan’ireo mpanao trafika hanapaka hazo indray.

Tsiahivina fa nohamafisin’ny rafitra iraisam-pirenena misahana ny biby sy zavamaniry ahina ho lany tamingana, Cites, ny fanaraha-maso amin’ny alalan’ny tsy maintsy isian’ny fahazoan-dalana avy any aminy ary tsy maintsy savain’ny sampandraharahan’ny fadin-tseranana maneran-tany. Mbola voasazy tsy mahazo manondrana i Madagasikara satria tsy afaka manafoana sy manasazy ny mpanao trafika, indrindra ny atidoha.

Tsy sokafana ny ladoany any Maroantsetra

Maro ny anarana mpandraharaha miparitaka eo amin’ny vaovao iraisam-pirenena, misy amin’izy ireny efa naaton’ny banky, toy ny BOA sy ny BNI tsy ho mpanjifany intsony any Antalaha. Misy ireo ananan’ny Bianco antontan-taratasy, nalefa tany amin’ny Chaîne pénale, nefa tsy nisy ny tohiny, fa fanahy iniana tsy tohizana. Misy amin’ireo efa notazonina am-ponja vonjimaika aza navotsotra indray, na takin’ny masoivoho sy ny fanjakana amerikanina aza. Izany hoe, tsy foana ny mety hisian’ny tsikomba eo amin’ny mpanao trafika sy ny tompon’andraiki-panjakana sasany.

Any Maroantsetra, tsy sokafan’ny fitondrana ny ladoany, nefa nanakatona azy ny filoham-pirenena, fony izy minisitry ny Tetibola tamin’ny andron’ny Tetezamita. Hany ka manjaka ny gaboraraka, tsy misy ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny olona sy ny entana. Misy koa ny fanenjehana ankolaka na tsindry atao amin’ireo mpikambana ao anatin’ny mpiaro ny tontolo iainana, miafara amin’ny fampidirana am-ponja.

Randria

www.newsmada.com

AUCUN COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE