Maison Societe Mangoro : tratran’ny polisy ireo mpangalatra menaka

Mangoro : tratran’ny polisy ireo mpangalatra menaka

218
PARTAGER

Saron’ny polisy misahana ny heloka bevava (BC) sakelika faharoa, tao Mangoro Moramanga ny asabotsy maraina lasa teo ireo lehilahy miisa dimy voarohirohy ho nangalatra menaka tanaty bidao mavo miaty 20 litatra. Araka ny fanazavan’ny polisy, kamiaobe semi-remorque iray nitondra menaka amin’ny bidao avy any Toamasina no lasibatra tamin’izany. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ry zalahy. Mbola tratra tany amin’izy ireo ny fitaovana maromaro fampiasa amin’ny fangalarana entana. Isan’izany ny saondy miisa efatra famohana bidao, jerikanina miisa roa, bidao miaty 20 litatra miisa roa asiana ireo menaka avy nangalarina, zinga miisa telo, tournevis iray. Voalaza fa hakan’ireo jiolahy menaka iray na roa litatra ireo bidao mavo feno menaka. Voasambotra teny Anosizato koa ny mpamilin’ilay kamiaobe izay niray tsikombakomba tamin’ireo mpangalatra, ny asabotsy teo. Nitohy hatrany Toamasina ny fanadihadiana nataon’ny polisy ka olona iray koa tratra tany an-toerana, afakomaly. Tsy kely lalana ny ratsy.

Jean Claude

www.newsmada.com

LAISSER UN COMMENTAIRE

Please enter your comment!
Please enter your name here