Kung fu : « Tsy azo ekena ny fanakorontanana »

Kung fu : « Tsy azo ekena ny fanakorontanana »

52
PARTAGER

« Tsy azo ekena ny fanakorontanana  fa avelao hiasa sy hanatanteraka ny fampandrosoana ny mpitondra, hiainan’ny vahoaka am-pilaminana », hoy ny fanambaran’ny Me Avoko eo anivon’ny Kung fu, omaly. Notsiahiviny fa hamafisina hatrany ny fiaraha-miasa sy fanohanana ny mpitondra amin’ny alalan’ny asa sosialy sy ny fanomezan-tanana eo amin’ny fametrahana fandriampahalemana ary koa ny lafiny fitaizana. « Anjara birikinay araka ny hafatry ny filoha Rajaonarimampianina teny Iavoloha farany teo izany », hoy ihany izy.

Momba ny fandaharam-potoana kosa, hatao any Ambatondrazaka ny fiadiana ny ho tompon-dakan’i Madagasikara ary hampiarahana amin’ ny zaikabe nasionaly izany. « Hamariparitana sy hanolorana mariboninahitra avy amin’ny minisitera ho an’ireo « maitre » nahavita be manerana ny nosy eo amin’ny kung fu. mIaloha izany, hitety faritra ny foibe ka ezahina ny hizara ny traikefa sy ny laminasa rehetra ho an’ny mpikambana eny ifotony », hoy ihany ny fanambarana.

Synèse R.   

www.newsmada.com

AUCUN COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE