Maison Sport Kitra « Fifa foot-ball Awards » : lasan’i Cristiano Ronaldo ny “Ballon...

Kitra « Fifa foot-ball Awards » : lasan’i Cristiano Ronaldo ny “Ballon d’or”

153
PARTAGER

 Roa sosona be izao. Mbola anisan’ny kintan’ny baolina kitra maneran-tany i Cristiano Ronaldo. Mbola nisongadina indray izany ny faran’ny herinandro teo.

 

Nahazo ny baolina volamenan’ny Fifa, (ballon d’or) taranja baolina kitra, ilay Portigey milalao ao amin’ny Real de Madrid, Cristiano Ronaldo (CR7) ho an’ny taona 2016. Notanterahina ny alahady teo tany amin’ny foiben’ny Fifa any Zurich Soisa ny fanolorana izany amboara izany, ho an’ireo mendrika. Tombony ho azy ny nahazoan’i Portugal ny anaram-boninahitra tamin’ny Euro farany teo na tsy niatrika sy tsy afa-nilalao aza izy. Fa eo koa ny maha tompondakan’i Eoropa ny ekipa ilalaovany, Real de Madrid. Nahazo ny salanisa, maherin’ny 34 % i CR7 ka nahazoany izany baolina volamena izany. Nahazo maherin’ny 26 % kosa ilay teratany argentin, milalao ao amin’ny Barcelone, i Lionel Messi. Maherin’ny 7 % ny azon’ilay Frantsay, Antoine Griezmann milalao ao amin’ny Atletico Madrid.

Mpiandry tsatoby ao amin-dRainiboto

Ho an’ny sokajy vehivavy kosa, lasan’ilay mpilalao amerikanina, Carli Lloyd ny baolina volamena. Efa nibata izany koa ny tenany ny taona 2015. Ny mpanazatra ho an’ny lehilahy indray, mendrika izany i Claudio Rainer, mitantana ny ekipan’ny Leicester ka nahazoan’izy ireo ny fifaninanam-pirenena anglisy. Nandrombaka izany kosa ho an’ny mpanazatra ny ekipa vehivavy ny mpitantana ny ekipam-pirenen’i Alemaina i Sylvia Neid. Mendrika teo amin’ny fampidiram-baolina na ny “Puskas 2016”  ilay mpilalao Malezianina, Mohd Faiz Subri.

Ankoatra ireo, mbola misongadina eo amin’ny fiandrasana tsatoby ilay Alema, Manuel Neuer eo anivon’ny National Mannschaft.  Eo amin’ny vodilaharana ahitana an’i Dani Alves, i Gerard Pique,  i Sergio Ramos ary i Marcelo. Ny mendrika eo amin’ny irakiraka kosa, i Luka Modric, i Toni Kross, i Andres Iniesta. Ho an’ny mpanafika, misongadina i Messi sy i Luis Suarez ary CR7.

Tsiahivina fa efa nahazo valisoa ho an’ny mpilalao mendrika tao amin’ny gazety France Football i Ronaldo ho an’ny taona 2016 lasa iny.

Synèse R.

 

www.newsmada.com

LAISSER UN COMMENTAIRE

Please enter your comment!
Please enter your name here