Maison Politique Kaominina Toamasina : vaky ny adin’ny be’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina

Kaominina Toamasina : vaky ny adin’ny be’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina

289
PARTAGER

Tsy hilamina intsony ? “Mpanatanteraka aho. Tsy izaho mihitsy no baikoinareo sy rahonanareo amin’ny tiako hatao : na amin’ny sonia tiako hatao na ny hevitra tiako hitondrana ny fampandrosoana eto. Tsy hamaly ny fampiantsoanareo intsony aho raha mitohy izao”, hoy ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, Ratsiraka Elysée, namaly ireo mpanolotsaina nampiantso azy, omaly maraina. Niteraka ady teo aminy sy ireo mpanolotsaina izany ary nanomboka nivoaka teo ny ady mangatsiaka eo amin’ny roa tonta. Samy namoaka ny tao am-pony ny andaniny sy ny ankilany ka nivoahan’ny resaka maro, tsy fantatry ny vahoaka tany anaty birao tany. “Ny ahy rehefa tsia dia tsia, ary rehefa eny dia eny, ka aza baikoina amin’ny tiako hatao aho fa samy olom-boafidy isika”, hoy ihany ny ben’ny Tanàna. Namaly izany ireo mpanolotsaina ka namerina koa fa samy olom-boafidy ary mitovy ny lalàna nametraka azy ireo. « Sao voafahan-dalitry ny mpanolon-tsaina manokanao ianao ka lasa mihinana am-bolony. Mba vakio tsara aloha ny lalana”, hoy ny valin-kafatr’ireto mpanolotsaina.

Navoakan’ireo mpanolontsaina koa fa mihoampampana ny kolikoly eo anivon’ny kaominina, ka miteraka fahalovana lalina eo anivon’ny lapan’ny Tanàna. Fantatra nandritra ity fivoriana tsy ara-potoana ity fa mahatratra 500.000 Ar no aloan’ireo mpiasa vaovao, 250 tafiditra eo anivon’ny kaominina, nefa olana mahatonga ny fitokonana tsy mety vita hatramin’izao ny momba io resaka karama tsy voaloa noho ny resa-bola tsy misy ihany.

Fifidianana hanonganana ny ben’ny Tanàna

Manampy ireo ny fampiakaram-peon’ ireo mpanolotsaina amin’ny fanavahana ireo namany.
Tsy nampidirina anatin’ny lisitry ny mahazo ny tambin-karamany araka ny zony amin’ny maha mpanolotsaina azy.

Tsiahivina fa anisan’ny antony nanaovana ity fivoriana tsy ara-potoana ity, ny fifandresen-dahatra sy mety hisian’ny fifidianana ho fampiatoana ny ben’ny Tanàna ataon’ireo mpanolotsaina. Andrasana anio amin’ny famaranana sy fihaonana faharoa eo amin’ny roa tonta ny ho tohiny.

Sajo

www.newsmada.com

LAISSER UN COMMENTAIRE

Please enter your comment!
Please enter your name here