Maison Economie Kaominina Ivato : nijery ireo fotodrafitrasa ny lehiben’ny distrika

Kaominina Ivato : nijery ireo fotodrafitrasa ny lehiben’ny distrika

125
PARTAGER

Nidina ifotony nijery ireo fotodrafitrasa namboarin’ny kaominina Ivato, eny anivon’ny vahoaka ny lehiben’ny distrikan’Ambohidratrimo, Randriamboavonjy  Tahirihasina, omaly niaraka tamin’ny ben’ny Tanàna Randrianarisoa Penjy sy ny ekipany.

Nojerena tamin’izany ny fivoaran’ny fanamboarana ny Tranompokonolona eny amin’ny fokontany Mandrosoa izay eo an-dalam-pahavitana tanteraka. Tao anatin’ny iray volana, efa vita ny 70%-n’ny asa.

Nidina teny amin’ny kartie fahenina ihany koa ny lehiben’ny distrika nijery ny fanamboaran-dalana izay natao “beton”. Lalana hifamezivezen’ny mponina ity lalana ity ary ratsy be teo aloha ka izao nasiam-panamboarana izao.

Nampahery ny ben’ny Tanàna ny lehiben’ny  distrika amin’ny ezaka vitany. “Haingam-piasa ary manao ezaka ny kaominina Ivato ka tokony halain’ny kaominina hafa tahaka izany”, hoy izy. 24 ny kaominina ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Anisan’ny misongadina amin’ireo asa vita ny eo Ivato. Ho maro ny fitokanana fotodrafitrasa hatao amin’ity taona ity raha ny vinavina. Manohy ny asa mivantana amin’ny vahoaka hatrany ny kaominina raha ny fampanantenan’ny ben’ny Tanàna.

Tatiana A

www.newsmada.com

LAISSER UN COMMENTAIRE

Please enter your comment!
Please enter your name here