Maison Culture Fredy Jaofera : « Ny ao an-trano no sekoly voalohany »

Fredy Jaofera : « Ny ao an-trano no sekoly voalohany »

269
PARTAGER

Malagasy tsy mahay teny malagasy ! Amin’ny lafiny iray, mahavariana, fa amin’ny endriny hafa, tsy mahagaga. « Ahoana moa no ahafahan’ny Malagasy manoratra teny malagasy, kanefa ny rakibolana aza tsy misy ao an-tokantrano akory ? », hoy i Fredy Jaofera, poety filoha lefitry ny Havatsa-Upem sampana Frantsa. Nantitranteriny anefa fa « ny ao an-trano no sekoly voalohany ». Nohazavainy fa mahavaky boky telo ka hatramin’ny dimy isan’andro ny olona iray any ivelany. « Hahita fiovana eo amin’ny fiainany ny Malagasy raha toa koa mora ny sakafo sy ny vidim-boky. Manana andraikitra voalohany amin’izany ny fitondrana », hoy i Fredy Jaofera. Raha ny fahamaroan’ny mpanoratra, tsy ahiana ny mety hahafaty ny teny malagasy.

Loza ho an’ny asa soratra

… Saingy tsy mahatafavoaka boky ny mpanoratra, noho ny sarany lafo. Ankoatra izay, misy mpanoratra, tsy mahafehy ny teny malagasy. « Loza ho an’ny asa soratra io raha tena tsy azo atoro ilay mpanoratra », hoy ity filoha lefitry ny Havatsa, sampana Frantsa ity. Notsiahiviny fa tsy azo ambakaina ny mpamaky. Vao mainka hitarika azy ireo (mpamaky) tsy hitodika any amin’ny asa soratra sy ny vaky boky ny tsy fahitana ilay endrika kanto, teny sy fehezanteny tsy misy diso ao anatina asa soratra iray.

Ankoatra ny andraikitra tokony efain’ny fanjakana, mbola tsy ampy loatra ny fanofanana ny mpanoratra amin’ny fitsipika sy fomba fanoratra ny teny malagasy.

HaRy Razafindrakoto

www.newsmada.com

LAISSER UN COMMENTAIRE

Please enter your comment!
Please enter your name here