Fodiamandrin’i Bruno Raisner : milaza ny heviny ny mpanakanto

Fodiamandrin’i Bruno Raisner : milaza ny heviny ny mpanakanto

125
PARTAGER

Misaona ny tantolon’ny hira sy ny zavakanto malagasy. Milaza ny heviny momba ny fahitany an’i Bruno Raisner i Gothlieb sy i Nantenaina, izay samy mpanakanto akaiky ity andrarezin’ny hira malagasy ity avokoa. « Malahelo tokoa aho ! Mpanakanto nahavita namorona hira maro izy fa nisy iray tavela ho tsangambato : « Kotrobaratra » », hoy i Gothlieb. Nohamafisiny fa olona tsotra i Bruno Raisner. « Tsy tena nahazo ny toerana tokony hisy azy amin’ny naha mpanakanto mahay mamorona azy fa niaina toy ny olon-drehetra », hoy hatrany i Goth. Nambarany fa tao anatin’ny fandaharan-kira hatrany ireo hira noforonin’i Bruno Raisner tamin’ny fanatontosana ny « Kakakaka kaiamba ». Fantatra fa ankoatra ny finamanana amin’ny maha mpanakanto, « niara-nipetraka taminay teny Ankatso II i Bruno Raisner tany ho any amin’ny taona 1985 », hoy i Goth. « Tsy hohadinoina mandrakizay ny anarany ! Olona tsotra sady tia namana i Bruno Raisner », hoy i Nantenaina. Nambarany fa ny hira sy ny mozika no fialamboly tena tian’ity mpanakanto ity.

Ny mombamomba an’i Bruno Raisner araka ny nanoratan’i Nantenaina azy

Teraka tamin’ny 1 aogositra 1959 tany Sandrakatsy Mananara Avaratra. Nianatra tao Sainte Marie sy Fénérive Est ary tao Toamasina izy. Afaka bakalorea ary nanao « Service National » tao amin ny CEG Sainte Marie ny taona 1981. Nanohy ny fianarany teny amin’ny ambaratonga ambony, ka ny sampana « Médecine » no safidiny.
Namela kamboty 4 vavy sy 2 lahy i Bruno Raisner.
Nanomboka nihira ny taona 1975. Ny taona 1982 ny tena nahafantarana azy tamin ny alalan’ ny hirany « KotroBaratra » sy « Ho an’i zandry ».
Ankoatra ny maha mpanakanto azy, nitana andraikitra maro teto amin ny firenena i Bruno Raisner. Taona 2011, mpanolotsaina tao amin ny « Vice primature » notarihin’i Botozaza Pierrot izy. Mpitarika sady mpikambana tao anatin ny « Tsarajoro », fikambanan’ny mpanakanto tao Toamasina izy.

Nangonin’i HaRy Razafindrakoto

 

www.newsmada.com

AUCUN COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE