Atsimo Andrefana : fiofanana ho an’ny mpitantana ny ECD

Atsimo Andrefana : fiofanana ho an’ny mpitantana ny ECD

70
PARTAGER

Faritra notetezin’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps) koa ny any Atsimo Andrefana, mikasika ny fampahafantarana ny zo sy ny tombontsoa ho an’ny mpiasa tsy raikitra (ECD) miasa ho an’ny fanjakana. Nahatratra 116 ny nandray anjara avy amin’ny sampandraharaham-panjakana, ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana (kaominina, distrika, prefektiora,…) ary ny tsy miankina, samy mampiasa ECD.

Nambaran’ny talen’ny fanaraha-maso sy ny fitantanana ao amin’ny Cnaps foibe, Razafindraibe Jean Jacques, fa “maro ny mpiasa tsy mahalala sy tsy misitraka ny zony, toy ny mpampiasa sasany koa ary tsy mahafantatra ny Cnaps rahateo. Tafiditra ao anatin’ny fampiofanana ny fiahiana ara-tsosialy sahanin’ny Cnaps”.

Nilaza Rtoa Ralaivao Fara Tanteliniaina, lehiben’ny mpiasa ao amin’ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny ala, Toliara, fa “taorian’ny fiofanana vao tsapako fa ampahany amin’ny zon’ny mpiasa ihany no fantako”. Anisan’ny tombony azony nandritra ny fotoana ny fahalalany fa misy ny fitaovana informatika “logiciel” azo ampiasaina amin’ny lafiny fiahiana ara-tsosialy.

Isan’ny hetaheta nampitain’ny mpiofana ny hanatanterahan’ny fanjakana haingana ny fisondrotana momba ny zo ara-tsosialy, tahaka ny volan-jazo ho 4.000 Ar.

Njaka A.

www.newsmada.com

AUCUN COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE