Maison Societe Andriampamaky : nahazo toeram-pitsaboana manara-penitra

Andriampamaky : nahazo toeram-pitsaboana manara-penitra

247
PARTAGER

Notokanana ny faran’ny herinandro lasa teo ny toeram-pitsaboana entina manafaingana ny fampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza (Carmma) ao amin’ny kaominina Andriampamaky (RN3). Afaka manome tolotra ara-pahasalamana maromaro ny ivontoerana. Fandidiana madinika, fitsaboana nify, fanaovana échographie, fiterahana, fanavaom-baksiny ny zaza, fanomezana torohevitra momba ny fandrindram-piterahana, fanabeazana momba ny fikoloana ny fahasalamana sy ny sakafo ara-pahasalamana… Maimaimpoana avokoa ny tolotra ankoatra ny fahasarotana ao am-panatanterahana ny fitsaboana misy. Fiaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana sy ny fikambanana Les pêcheurs de Madagascar ary ny vadin’ny filoha Rajaonarimampianina no nahazoana ny toeram-pitsaboana vaovao ao an-toerana. Nitondra anjara biriky lehibe ny vadin’ny filoha amin’ny fanorenana ny fotodrafitrasa sy ny fampitaovana rehetra ao anatin’ny trano. Mbola nanolotra milina fanjairana ho an’ny fikambanam-behivavy ao Andriampamaky koa ny tenany. Manampy ireo ny ambulance sy fiara iray ampiasain’ny toeram-pitsabona.

Solontenan’ny fikambanana ara-pinoana aostralianina Fishermen international ny association Les pêcheurs de Madagascar.

Hitondra fivoarana lehibe ho an’ny fikarakarana ny reny sy ny zaza ao anatin’ny kaominina ny fijoroan’ny ivontoerana vaoao.

Vonjy

www.newsmada.com

LAISSER UN COMMENTAIRE

Please enter your comment!
Please enter your name here