Maison Societe Analakely : voasambotra i Fabrice, mpanendaka raindahiny

Analakely : voasambotra i Fabrice, mpanendaka raindahiny

285
PARTAGER

Voasambotry ny polisy teny Analakely ny lehilahy iray, 31 taona, antsoina hoe Fabrice, voalaza fa jiolahy raindahiny, ary efa mpamerin-keloka, ny alahady teo. Dimy lahy izy ireo mpanedaka eny amin’ny manodidina an’Analakely sy ny manodidina iny. Ny 31 desambra 2016 , nisy olona tonga tao amin’ny polisy nitaraina fa nisy nanendaka teo amin’ny toatohabaton’Antaninarenina, ka dimy lahy mirongo antsy lava no nanendaka azy ireo. Lasa tamin’izany ny finday miisa fito sy vola 420.000 Ariary.

Nanaa vela-pandrika ny polisy ka voasambotry ny polisy teny Analakely ny alahady teo, tokony ho tamin’ny 6 ora hariva i Fabrice. Nohizingizin’ireo mpitory fa anisan’ireo nanendaka azy ireo i Fabrice tamin’ny fanadihadiana. Fantatra ihany koa fa efa mpamerin-keloka amin’ny resaka fanendahana miaraka amin’ny antsy sy sabatra ity lehilahy ity. Natolotra ny fampanoavana omaly izy io. Eo am-pikarohana ny namany kosa ny polisy eny Analakely.

Yves S.

www.newsmada.com

LAISSER UN COMMENTAIRE

Please enter your comment!
Please enter your name here