“Analakely-La petite forêt” : tetikasa kanto hamerenana ny alakely

“Analakely-La petite forêt” : tetikasa kanto hamerenana ny alakely

94
PARTAGER

Hafakely ! Izay ny azo ilazana ny tetikasa iray, antsoina hoe “Analakely-La petite forêt”, iarahan’ny mpanakanto vahiny efatra mianadahy manatontosa. Tanjona ny hoe mba hiverina ho rakotra alakely ny araben’Antananarivo, na tsy tena izy fa amin’ny zavakanto ihany aza izany.

I Stefano Alaimo, i David Hardy (antsoina hoe Suisse Marocain amin’ny maha mpanakanto azy) ary i Ayumi Shibata, samy mpanakanto araka endrika amam-bika, miampy an’i Rachele Cassetta, mpakasary sy horonantsary. Ireo izy efatra mianadahy tompon’izao tsirinkevitra miavaka izao.

Raha fintinina, toy izao ny fizotry ny tetikasa: nanombohana azy ny famokarana sary miavaka, miisa 80. Mirefy 130x90sm ny sary iray, izay maneho hazo tsy fahita raha tsy aty amin’ny tany mafana. Rehefa vita ireo sary, atao mirindra sy kanto ny fametrahana sy fampirantiana azy eny an-dalambe, eto afovoan’ny Renivohitra, mazava ho azy.

Marihina fa ny 40 mahery amin’ireo sary aloha no haranty. Miara-dalana amin’izany, hisy ny fampirantiana mitondra ny lohahevitra hoe “Feu de brousse”, hatao ao amin’ny Cercle germano-malagasy (CGM) etsy Analakely. Ny mampiavaka azy ity? Hanehoana sary hazo goavambe miisa efatra, samy vita amin’ny taratasy notapatapahina, izy ity. Sanganasan’i Ayumi Shibata ireo.

Ireo fampirantiana sy hetsika rehetra ireo, hatao amin’ny tapak’ity janoary ity hatramin’ny febroary ary samy halain’i Rachele Cassetta sary sy horonantsary avokoa. Halefa any Eoropa any ny sary sy horonantsary rehetra. Anisan’ny hetsika handefasana izany, ohatra, ny « Madagasy’Art » andiany fahenina, fampirantiana momba an’i Madagasikara, karakarain’i Suisse Marocain isan-taona.

Landy R.

www.newsmada.com

AUCUN COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE